Ny hajan’ny maty, ny voninahitrin’ny velona

Ankona aho nahita ireo sary nitsingindigindina tanaty fizaran’ny tambazotra sosialy. Tsy namako akaiky iny olona iny, tsy fianakaviako koa. Kanefa tsy haritro ity zava-doza miseho ity, ary heveriko fa adidin’ny velona – na tsy misy rohy mampifandray aza – ny mbola miaro ny hajan’ny maty.

Ny fotoana manokana toy ireny, dia an’ny fianakaviana sy izay akaiky irery ihany. Tsy misy iadiankevitra izany fa sady mety, rariny no mihaja rahateo. Tsy misy zo manokana azo raisina momba izany, na mpankafy toy inona, na mpitia toy ny ahoana, ka hisalovana ny safidin’ny fianakaviana sy hanimbazimba izany. Koa tena haratsiampanahy, haratsiana raha samy olombelona, fanaovana z’inona, haratsian-taiza tsy roa aman-tany ny fasahiana mamoaka ireny sary famadihan-kolavenona ireny. Fo tsy mitempo, saina tsy mihevitra ary tsy fahalalalampomba tsy misy toy izany : ratsy, ratsy taiza ary ratsy toetra.

  • Moa ve tsy misy haja omena ny maty intsony, koa raha efa lasa izy dia mihetry miaraka amin’izany ny hasina nananany fony velona ?
  • Moa ve tsy manan-kajaina intsony isika ka na ny tsy afa-miteny sy ny efa mangina aza dia mbola ilaina viraviraina toy izany ?
  • Fa olompirenena toy ny ahoana rahateo koa moa isika, no mihevi-tena ho manana zo manokana satria « demokrasia », satria « tambazotra sosialy », satria «liambaovao », ka ny masina indrindra amin’ny tany sy ny fomba no hitsahana «amin’ny anaran’ny tolona »?!?

Ny fasahiana hamoaka ireny sary ireny, tsy henatra, tsy tahotra, dia efa olana iray. Ny fahasahiana hizarazara azy eran’izao vondrona rehetra izao, sanatria hitakoritsika etsy sy eroa toy ny tsy manankatao, mbola olana afaka koa. Ny fanaovana commentaires tsy ampiheverana sy fitsongoloana ny madinika indrindra amin’ny fiainana manokan’ny olona, mbola olana fahatelo. Fa ity tsy fanànana fo amampahany hitempo ho an’ny hafa no olana indrindra. Malagasy toy inona isika no dia tsy manana fangorahana intsony, na dia fiaraha-miory amin’ny tompo-manjo ? Na dia fatahorana ny Zanahary an-tampon’ny loha ? Na dia ho an’ny hajan’ny tena manokana fotsiny ihany aza ?

Tsy vao androany no nisy famborahana sary tsy famboraka toy izao tao amin’ny Facebook. Angamba tokoa efa kolontsain’ny liandrà sy ny liandoza isika mianakavy ka zary efa fomba vaovao izao. Nabaribarin’ny demokrasian’ny tambazotra ny lentam-panabeazana azon’ny tsirairay, ary vay an-kandrina sy tongom-bakivaky ho an’ny rehetra izany. Matoa tonga amin’izao isika, dia efa nilavo lefona ary nanaiky fa izay rivo-pahefana sy rivo-pahafahana rehetra dia tsy maintsy havela hitsoaka daholo. Satria manaiky isika fa omena izay mitaky rehetra ny fahefana madinika tiany horombasina, mba hatambatambany ho harambato hanitsoka antsika mianakavy. Afaka hitaraina inona koa anefa : ireo no zanaka sy taranaka namboarintsika, izay izany koa !

Taperiko eto ny teniko. Teren’ny tanindrazana iombonana hiara-hiaina eto isika sy ianareo. Raha tsy hifankatia isika, tsy maninona. Fa aza zimbaina izay kely mbola iombonana dia ny hajan’ny maty sy ny voninahitrin’ny velona. Ezaka faran’ny kely indrindra iarahana, amin’izao vaninandro sarotra izao.

Laisser un commentaire